samedi 26 octobre 2013

TSOFIKO RANO NY FIRENEKO.

Tsy mahafeno 1% -n’ny mpifidy malagasy no nifampizara ny nofinofiko ho an’ilay Madagasikara ibeazan’ny maha-olona sy irijarijàn’ny maha-malagasy ary anjakàn’ny fokonolona.

Nahaizako zava-maro ny fiomanako ho filohampirenena nandritra izay dimy taona lasa izay. Niafiako fanevatevàna sy fanasoketàna ary fanambanimbaniana. Saingy nanery ahy namelom-panahy sady nampianatra ahy nampibanabàna ny foko ihany koa.

Tsofiko rano ny fireneko. Tsy hisy avelako hampalahelo ahy intsony izay hitranga eto an-tanindrazako manomboka izao. Vitako ny adidiko. Vitantsika rehetra tsy nahafeno akory ny 1%-n’ny mpandatsa-bato ny adidintsika.

Sitraka sy telina, tompokolahy sy tompokovavy. 
Andriamanitra manambina lalandava ny isan-tokonambaravarantsika tsirairay avy.

Alahady 27 oktobra 2013.


RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey

2 commentaires:

Unknown a dit…

Aza avela handrava ny fitiavanao ny tanindrazanao ny 1% mety hiteraka hakiviana! Mila olona toa anao ny firenenao kanefa tendrin'Andriamanitra ny mahalasa filoham-pirenena olona iray! Maro ny ezaka, fihafiana sy mety ho fanakianana sy fandrabirabiana nahazo anao kanefa mety mbola lehibe loatra ny fanamby napetrakao, tsy takatry ny sandrinao sy fahafahanao! Mamporisika anao hatrany hijoro hoan'ny firenenao, atomboy any @ fokontany na faritra misy anao aloa fa sao dingan-dava nahasolafaka anao iny indray mitoraka iny!! Mitsangana ary ario ny hakiviana!! Mirosoa hanatevin-daharana ny fanarenana an'i Madagasikara!! Diso enao raha milaza fa vitanao ny adidinao!!! Zao vao tena manomboka ny adiditsika mianakavy amin'ny fanarenana ity nosindrazantsika malalantsika ity!!! Mirary soa mnadrakariva!!!

Tokiarizo Tsihosena a dit…

Aoka tsy ho adinointsika fa 32 157 isika no nifanohana nahazoana ny 0.71% nanerana ny nosy. 'Ndeha atao hoe 50% -n'ireo nandatsabato ho an'i Vahömbey no tena nahatsapa tena teo amin'ny fanehoan-keviny (mahay mamaky teny, nahalala ny ambangovangon'ny fotokevitra FAmà, ...), misy olona 16 078 resilahatra izany manaraka an'i Vahömbey. Mahafeno ipoka an'i Mahamasina izany vahoaka izany, tsy azo hodin-tsihita izy ireo.Azo atao tsara tokoa ny manomboka amin'ny fidianana ara-monisipaly, sy ny sisa...
Mirary soa hatrany!